Ny Asaramanitra, taom-baovao entim-paharazana

Publié par Nathalie

Ny Asaramanitra no taom-baovao entim-paharazana

Zara raha misy mahalala sy mankalaza ny taom-baovao Malagasy. Anisan’ny antony lehibe iray nahatonga izany ny fivavahana kristianina, izay mihevitra fa fanompoan-tsampy avokoa rehefa fombafomba Malagasy. Iaraha-manaiky fa vitsy ny Malagasy mahafantatra sy mankalaza ny taom-baovao Malagasy.

Tsy ny 1 janoary velively no taom-baovao malagasy fa hafa tanteraka. Ny Alahamady no volana voalohany amin’ny taona Malagasy. Ny tsinam-bolan’ny Alahamady noho izany no taom-baovao ho antsika.

Tsy andro iray toy ny 1 janoary izany ny taom-baovao malagasy fa miovaova. Arakaraka ny andro mahatsinana ny volana. Matetika anefa eo amin’ny volana marsa na avrily amin’ny fanisan’andro ampiasaintsika ankehitriny izy io. Miovaova toy izany koa ny ora. Izany hoe, ny andro hifanitsian’ny volana sy ny masoandro ao amin’ny antokon-kintan’ny Alahamady raha jerena ety an-tany no taom-baovao. Faharoa, milaza ny zokiolona ao amin’ny fianakaviana, mpanjaka, fiandrianana, fanjakana, vary ny Alahamady.

Fomba amam-panao

Iray volana mialohan’ny tsinan’ny Alahamady, mihafy tsy mihinan-kena ny vahoaka sy ny mpitondra. Izany hoe tsy mandatsak’aina, raha mbola azo atao. Kanefa raha misy ny tsy maintsy hanaovana izany dia ny akoho amam-borona no vonoina. Iny ilay antsoina hoe : « fo tsy aritra ». Andro iray na ora vitsivitsy mialohan’ ny hanaovana harendrina no anaovana ny fifamelana eo amin’izay nahitana na nandrenesana disadisa, teo anivon’ny tokantrano, fianakaviana ary fiarahamonina.

Harendrina (Arendrina)

Ny alin’ny faran’ny taona no manao ny harendrina (Arendrina) ny olona. Entina manodidina ny tanàna izy ireny mba hitondra hazavana sy hafanana ka tehirizina ho tratry ny andro maraina na ny taona vaovao. Atao izay tsy ahafaty ny afo (afo tsy maty) mandra-pahatonga io maraina io. Ny arendrina rahateo no hoentina mandroaka ny lolo mety maneloelo, raha ny fomba amam-panao malagasy.

Fandroana

Mido amin’ny alalan’ny rano ny vahoaka. Izany hoe, mandro. Manao toy izany koa ny mpanjaka mba hoenti-mandio ny firenena iray manontolo. Endriky ny ala faditra avokoa izany

Mots clés

Commentaires