Soratononina RNS 2011
Nosy mena sa Nosy maitso ?
Rakotra ala matevina ny nosintsika fahizay ary ny mpanjaka Radama voalohany, tamin’ny androny, dia nihevitra fa ny ala no miaro azy amin’ny fananihan’ny miaramila vazaha, ka tsy nokasihiny sy nohajainy fatratra iny ala atsinanana iny.
Tsy ho voatanisa ny tombon-tsoa entin’ny ala ho antsika. Anaovana trano sy fanaka ny vatan-kazo, atao kitay, akana arina, sy ny sisa. Ny raviny, ny fotony, ny voany, ny hodiny dia ahazoana fanafody toy ny rambiazina izay anaovana tambavy na dorana atao evoka, toy ny boreda izay antsoin’ny Sihanaka amin’ny anarana gaboroda ary fantatry ny Betsileo amin’ny anarana hoe : “tsipokipoky” na “tsitsipoky”, hoy ny Antaifasy, izay fanalana afotsy ary nitsaboan’ny Ntaolo ny aretin-tsohika ;
ny ambiatibe izay ampitoniana ny aretim-bavony ary koa mampikombona haingana ny fery ny rano azo amin’ny raviny rehefa voatoto; na ny tsikafonkafona manenika ny farihintsika aza dia manana ny filàna azy fa enti-mamono voalavo afangaro amin’ny totom-boangahazo ; ny rotra nampiasain’ny Ntaolo nitsabo ny diabeta. Tsy ny zava-maniry ihany no maha-sarobidy ny ala fa ireo biby maro samihafa monina ao aminy koa izay tsy fahita any an-toeran-kafa.
Tena mitondra faisana amin’ny fanimbana ny ala itoerany sy ny fivarotana azy any am-pita ireo karazana gidro toy ny babakoto, ny aiay, fa koa ny bibilava (menarana, do, ny menapitsaka), ny voay voaripaka hanaovana kiraro na pôketra. Ny vorona endriky ny ala, toy ny fandimbiala, ny fitatrala, ny vanga, dia voafandrika na voatifitifi-poana fa tsy misy fanaraha-maso ny fihazàna azy ■
Lahatsoratra Soratononina RNS 2011 : Kolo, Havatsa*,
INALCO, Hetsika Nantes, CEN – RNS
Les lauréats
1- RANDRIANASOLO Rasoamiafara Fara
2- RAHARILANTO Olisoa
3 – ANDRIAMAROKOTO Guidéon
4 – DE VEYSSIÈRE Ranto
Commentaires