Lahatsoratra Soratononina RNS 2013

Publié par Nathalie

FAHAZATO TAONA

Ny telo ambin’ny folo sy roa arivo dia taon-jinan-jobily ho an’ny haren-tsaina malagasy. Ankalazaina mandritra itỳ taona itỳ tokoa ny fahazato taonan’ny “Vy Vato Sakelika” (VVS) sy olomanga efatra tabihan’ny asa soratra.

Koa tsy handalo fotsiny anie izany fifanojoan’ny tsingerin-taona izany, fa hahatsiarovantsika kosa fa mila harovana anie izay ananantsika.

Aza avelanao hangintsy àry ny fitiavanao ny tenindrazanao. Mazotoa mamafy ka ho tsara famoa, mba hanitarana ny fahafantarana sy ny fahaizana ny teny malagasy.

Ny lova izay napetrak’ ireo zoky raiamandreny mantsy dia tsy fanantsafana fotsiny ihany, fa mitaky adidy amintsika ihany koa eo amin’ny fampitana izany any amin’ireo zanatsika.

Diniho sy saintsaino ange itỳ lahatsoratr’i Dox manaraka itỳ :

TSY HODINGANINA NY MATY…

Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty
Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty
Ny fitohizantsika aminy…sady isika taizany aza,
Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !

Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !
Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
Misy trosantsika aminy, nefa izany dia hoefaina
Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina !

Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !
Nananganana tanàna ka tsy hahazo hihalangalana,
Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,

Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?
Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra

Mots clés

Commentaires