RIVOTRA AZA AHO…

Publié par Nathalie

Atolotra anareo izany ity “Rivotra aza aho”” nadika amin ny teny frantsay.

RIVOTRA AZA AHO…

Izato ianao mihamikamina

Anaty tory soa milamina

Tsy manahy maso mijery

Reno tory samy irery…

Rivotra aza aho ka rivotra

Ka ao amiko no ho difotra

Ny tenanao matory izao

Ho vita lasitra ao ianao!

Dia hanafosafo mora

Ny tenanao bakorakora

Izaho Rivotra rahavako…

Ho akanjonao manify

Ka ho satrinao tsy hidify

Ny safosafon ny fitiavako…

Edition Sepia et Tsipika

Dox (1913-1978) Poésie malgache et dialogue de cultures

Irène RANDRIANARISOA-RASENDRA

Préface d’Elie RAJAONARISON:”une redécouverte de Dox” Edition Tsipika *janvier 2011

Mots clés

Commentaires