Soratononina 2012 RNS Vichy notontosain’ny fikambanana KOLO

Publié par Nathalie

Henin-kaja ny Soatoavina maha-malagasy. Tafahoana ny tia sy ny manina teo aminy ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny Soratononina 2012 RNS. ’Vary notondrahan-tantely’’  Nihoatra avo roa heny tamin’ny vinavina ny isan’ny mpandray anjara. Nasehon’ireo mpifaninana ny  fanomezan-danja ny teny malagasy. Tsy hita soritra teo amin’izy ireo ny toetsaina fahita @ karazam-pifaninanana. Na ny nahazo loka, na ny tsy nahazo dia samy niray fo sy fifaliana. Nanjaka tokoa ilay voalazan’ny Ntaolo hoe: ’’Adin’ombalahin’ny mpianakavy, izay mandresy tsy hibiana, izay resy tsy akoraina’’.

Maneho fankasitrahana tanteraka ny fikambanana kOLO. Ho ela velona anie ny teny malagasy.

Lahatsoratra :Sokajy 1

Soatoavina sy Kolontsaina malagasy,

Namela soatoavina sarobidy ho antsika taranaka ireo razantsika.

“Ny fanahy no olona”.  Io no foto-kevitra maha-izy azy ny Malagasy. Tsy ilay vatana matanjaka na ny saina ambony, fa ny fanahy maha-olona, ka hoy izy ireo: ‘’Ny hery tsy mahaleo ny fanahy’’.

Teo amin’ny fiarahamonina dia taratr’ izany maha-fanahy izany ny fifandeferana, ny fifampierana, ny fihavanana ary ny firaisankina : mifanaja ny ray aman-dreny sy ny zanaka, mifampihaino ny samy tanora. Nifamela izy ireo raha nisy disadisa teo amin’ny fiarahamonina satria ny “Heloka ibabohana hono mody rariny”.Nino sy niaina an’Andriamanitra na Zanahary ihany koa ny Malagasy. Rehefa haka fisainana ireo olon-kendry fahiny, dia nisinda kely izy ireo niherim-panahy. ‘‘Takatra amorom-parihy, tsy matory fa miherim-panahy’’.Nanampy azy teo amin’ny fifehezan-tena koa ny fatahorany ny tsiny sy ny tody araka ny ohabolana hoe  ‘’Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina’’.Na izany aza dia nanan-toerana lehibe ny fitaizana ara-batana sy ara-tsaina tamin’ny alalan’ny kolontsaina sy ny zavakanto: ny raosijamba, ny katro, ny fanorona,  ny moraingy, ny diamanga, ny dihy sy mozika, ny kabary, ny angano, ny hainteny, ny sokitra, ny taozavatra, ny endri-trano isan-karazany.Tao koa ny fomban-drazana, toy ny fitampoha, ny famadihana, ny tsaboraha, ny fandroana …

Azo lazaina àry fa nanan-karena soatoavina sy kolontsaina amam-panahy ny ntaolo malagasy. Nanjaka ny fifankatiavana ka nahatonga azy ireo nilaza fa ‘’Mamy ny miaina’’.J. Andrianaivo RAVELONA

Mpandray anjara :-Isan’ny mpifaninana : 103-

Ny nahazo loka – Sokajy I :

1-Rtoa RAZAFIMANDIMBY Malala Doria
2- Rtoa RABAKOARIHANTA Aimée
3- Rtoa RANDRIATSIFERANA Clarisse

Sary: Malala Doria sy FX-Maha

Ny biraon’ny KOLO

  • Mamy Andrianarivony: Filoha
  • Bodo Andriatsivelana: Mpitan-tsoratra
  • Lila Raharolahy: Mpitam-bola
  • Malala Razafinjaonimanana: Serasera
  • Idealy Andriamanjato: Mpanatontosa Soratononina
  • Bary Andriamanantena: Serasera
  • Hery Raharolahy: Lafiny teknika
  • J. Andrianaivo Ravelona : Mpiahy ny KOLO

Mots clés

Commentaires