Fampianarana Kabary 2012-2013

Publié par Nathalie

“Kaba

ry hery sy haren’ny teny malagasy, kabary antsika jiaby”


Arahabaina toa volana an-danitra ianareo ! tsinana fanantenana, fenomanana ala haizin’ny tany, nahalaniana ody senton’ny manina.

Ny vorona no manadino ny akany nahafoizany;

Ny valala vahiny no mahafoy ny tany niaviany;

Fa isika Malagasy aty am-pitandranomasina  kosa tsy mba manadino ny   tenindrazantsika.  

Anisan’ny kolontsaina mampiavaka ny Malagasy amin’ny maro ny Kabary; mirakitra ireo fomba amam-pahendrena sy soatoavina malagasy; mitahiry ihany koa ireo teny kanto tsy lany hamamiana izay toy ny fary lava vany.

Manana ny toerany manokana eo amin’ny tontolom-pisian’ny Malagasy ny kabary, na amin’ny fiainana andavanandro, na amin’ny vanim-potoana miavaka eo amin’ny fiainan-tsamirery, fianakaviana, fikambanana.

Ho an’ireo izay manana andraikitra isan-karazany ka mandray fitenenana amin’ny vanim-potoana samihafa sy amin’ny sehatra isan-tsokajiny dia manatsara ny lahateny sy mampafonja ny hafatra ampitaina ny fahaizana mikabary.

Hanomboka amin’ny 12 oktobra 2012 ny andia fahaefatra amin’ny fampianarana Kabary karakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabary eto  Madagasikara (FI.MPI.MA. ) Sampana Frantsa.

Hanomboka ny asabotsy 13 oktobra ny  fampianarana Kabary any Toulouse. Aza misalasala miantso an’i Marie Jo  06 83 54 46 85 na I Jacquis 06 70 21 94 10 mikasika ny andinidininy.

Hanomboka ny asabotsy 20 oktobra ny  fampianarana Kabary any Marseille. Ny fotoana dia amin’ny  roa ora sy sasany tolak’andro (14h30) ao amin’ny 103 rue Sainte Cécile 13 005 Marseille. Fifandraisana  Lila 09 52 25 02 22 na 06 67 09 43 71

Hanomboka ny asabotsy 27 oktobra ny  fampianarana Kabary any Lyon. Fifandraisana  Narcice 06 03 02 19 96

Hitanareo miaraka amin’ity ny andinidininy mikasika ny fampianarana Kabary eto Paris. Aza misalasala fa natao ho an’ny rehetra ny fampianarana. “Eo am-pandrasana no hahitana ny atiny ary tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto”, hoy ny fitenenana.

Ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany anie hahenika ny tontolom-pisianareo. “Handeha ianareo hahavoa-dalana, hitoetra hahavita zavatra, ary izay nisasaranareo mba hody ventiny avokoa”.

RAMANDRAIVONONA Dera

Filohan’ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa.

Mots clés

Commentaires