Kabary fanokafana

Publié par Nathalie

KABARY fanokafana ny fifampiarahabana Taom-baovao 2012
Sambatra raha samy vohitra ny eny Ambohimanga fa manana an’Ambatomiantendro fitazatazanana, finaritra ny mponina ny eny Imamo, fa na tsy mihinanana ny voatapia aza mialokaloka ny raviny ihany. Fa sambatra raha samy sambatra kosa isika ankehitriny mbola nomen’Andriamanitra tombon’androm-pahavelomana ka afaka nifanatri-tava nahatratra izao taona vaovao izao.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Manao azafady aho raha mandray fitenenana fa sady fangatahan-dalana hiteny no fanomezam-boninahitra anareo itenenana. Miala-tsiny ihany koa fa ny akoholahy raha haneno dia miala kopakopaka, ny akohovavy raha hanatody miala faditra ahitra, izaho kosa raha hiteny dia mialan-tsiny satria ny miteny tsy mialan-tsiny hono tahaka ilay Rafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no notadiavina ka ivy no raraka. Ny tsiny manko tahaka ny rivotra, re ny anarany fa tsy hita ny endriny. Noho izany, alako ny tsiny tsy zakan’ny teo aloha ka ombako tsy mahazaka ihany koa.
Izay ary no ela, tompokolahy, sy tompokovavy, fa tonga teto isika, tsy fandraka nasesiky ny fively na kotroka nasesiky ny tselatra fa sitra-po nasesikin’ny fitiavana ny ny RNS sy fikambanana CEN .
Maro hono ny hazo fa ny fary no mamy indrindra, ary maro ny androm-pifaliana fa ny miavaka kosa dia ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao. Na izany aza anefa ny faran’ny rano hono Ikopa, ny faran’ny vilona ny omby, ny faran’ny omby hena ary ny faran’ny olona Andriamanitra.
Isaorana ilay nahary tamin’ny nitantanany antsika tamin’iny taona lasa iny ka nahatratrarantsika indray izao taona vaovao izao.
Enga anie izao taona vaovao izao mba hitondra ny soa sy ny tsara hatrany ka hiondrika ho voky tantely, hitraka voky ronono isika.
Ary enga anie ity fikambanantsika CEN sy ny RNS ity hisodon-miakatra toa ny trafon’omby, fa tsy haniry midina tahaka ny rambony, ho toy ny làlana ka maro mpanitsaka vao miha mazava.
Ary Andriamanitra mana-karem-pahasoavana anie hanome antsika hery sy tanjaka ary fahasalamana mandritry ny taona, ahazoantsika manao ny asa aman’andraikitra sahanin-tsika eo amin’ny mpiara monina.
Manaraka izany ny mandihy tsy amin’ampoga maivana, ny mikalo tsy amin-java-maneno tsy manga ary ny miteny tsy manolotra fanomezana amin’ny Asaramanitra tahaka izao dia zava-poana ihany, koa indro misy sakafo endim-balala sy rano-panala, kely dia kely tokoa, fa ataon-tsika toy ny tantely tapa-bata ka ny fo manolotra no mameno azy.
Samia ho Tratry ny taona manaraka.
Makasitraka Tompokolahy, makatelina tompokovavy.

Olivier Razafindranaivo, Filohan’ny CEN-RNS

Mots clés

Commentaires