Tompokolahy sy tompokovavy hajaina
Ambohimanambola no voka-tsaramaso, Ambohimanarina no mizihi-kibo
Anjeva no matavy omby, Ambohimalaza no lafo kitay
Antananarivo no vaventy trano, Ivakiniadiana no solavantony
Ny tranokalantsika kosa no tiana hitombo hasina, ny fahendrena nentin-drazana no ndeha hiarahantsika mizaha sy manandratra eto anivon’izao sehatra fampirantina sy fifanakalozana izao.
Mety ho lasan’eritreritra ihany angamba ianareo ka hanao hoe: efa lany taranaka sy lany tamingana angaha ny anivon’ny riaka? Sa sanatria ala nilaozan’apanga na kijàna nilaozan’omby? Lany olomanga ve ny firenena? Nankaiza ny ray aman-dreny, nankaiza ny fotsy volo amin’ny tany, nankaiza ny manam-pahaizana sy ny kinga amin’ny fandaharana no dia ny zandry olona sy mbola maitso volo toa ny RNS vao 36 taona no mitondra ny teny sy mitarika amin’izao fikarohana izao?
Sa kosa izao ilay hoe: « bingo manao matso ka misalovana ny anjaran’ny sasany »?
Marina izany tompokolahy, ekena tokoa re tompokovavy. Nefa nony tsy izany hoe « fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby ray tsy satry », nony tsy izany hoe: « handidy hena eo ambony fe ka hisolo vaika ny ankàlana » dia tsaroana fa tsy ny railovy malaza ho andriamborona ny tena fa ny tsikirity madinika momba fody, tsy tompon-dia fa mpanaraka, mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha.
Izany indrindra no hanaovana azafady anareo mpamaky satria ny azafady sady fangatahan-dàlana no fanolorana ny haja mendrika anareo feno voninahitra manatrika sy manodidina eto.
Mbola eto mantsy ny ray aman-dreny lolohavina an-tampon’ny loha, masoandro amam-bolana ary raha ny hitsikitsika no tompon’ny dihy, ny vivihy no tompon’ny rano, ireny no tompon’ny teny.
Ao koa ny zoky be toa ray, angady nananana sy vy nahitana, tabiha sy rehareha tsy ialohava- mandeha, tsy salonani-miteny.
Ao ianareo mitovy saranga amin’ny tena, kijeja niara-nita, valala niara-nanjohy, ny sasany aminareo aza zandry aman-taona fa zoky aman-pahalalàna sy fahendrena.
Dia ao koa ianareo zandry, zanaka mahaleo mahalasana, saonjo mihoatra akondro, sakely mihoa-joro, kolokolo dimbin’ny vary.
Ary farany am-pitenenana fa farany natao ho tsaroana satria heniky ny haja, dia ao ianareo andriambavilanitra loharanon’aina, loharanom-pianakaviana, mandeha izy ireny endriky ny lalana, mitoetra ravaky ny tokantrano.
Izany antanatohatra voatonona teo izany ry izy mianakavy no rano tsy dikain’ny zinga, ny iray tamin’ireo voatanisa ireo no tokony nandahatra teto. Ny miteny alohan’izy ireo dia toa ny miteny lango eo imason’ny vary, ny mikabary anoloan’izy ireo dia toy ny mitafy lamba eo imason’ny tompony.
Nefa noho ny fahafantaran’ny CEN fa ny teny toa ny vato ka izay maivana ihany no atoraka, ny teny toa ny antsy ka izay maranitra ihany no adidy, ny sinibe rahateo tsy entim-matsaka dia izahay izao no tonga amin’ilay fampirisihan’ny Ombalahibemaso manao hoe:
« Ialahy no lefona tsy mba varombo, atomboka tsy mba milefitra.
Ialahy no tangen-tsara hafatra, tsy menamaso mitsara.
Ialahy no antsy be tsara hofana, adidy tsy mba madilo sady tsy miola-taola-mahery.
Ka ento ny teny hoy izy fa lehilahy ialahy omban’ireo ombalahy antitra ireo »
Tsapanareo amin’izany ary tompoko fa teny nomena ka mahasolanga fa raha tsy nomena izy no maha-joko.
Santatra am-bavarano ihany anefa iny ny anay, ny manetsabe mbola ho avy. Raha toa ka misy ny banga, ianareo mpamaky kosa handray ny andraikitra eto am-pifanakalozana: tohizana izay maito, tentenana izay madilana.
Mankasitraka tompokolahy, mankatelina tompokovavy.
Commentaires