SEHATRY NY HAISORATRA SY NY ASA
ANDRIANASOLO Hajaina Naomy (- HAJAINA-) Mpiasam-panjakana Raikitra ao amin’ny Antenimierandoholona malagasy Mpikambana mpifandray ao amin’ny akademiam-pirenena Malagasy Sekretera Jeneralin’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy HAVATSA UPEM Tompon’andraikitra sy Mpampianatra “KABARY” Filohan’ny Fikambanam-behivavy Iraisampirenena (Alliance Internationale des Femme de France et Madagascar, section AIFM Madagascar) Nahazo mari-boninahitra nomen’ny Minisiteran’ny Kolontsainsy ny Vakoka « Officier des Arts, des Lettres et de la Culture », ôktôbra 2012 Manoratra : TONONKALO (poésie), SOMBINTANTARA (nouvelle), TANTARA FORONINA (Roman), HAITENY (poésie malagasy), TANTARA FIHAINO (théâtre radiophonique), TANTARA AN-DAMPY (théâtre scénique), TANTARA AN-TSARIMIHIETSIKA (Film), ANGANO (conte), FAMAKAFAKANA (essai), HIRA, sns.
MARI-PAHAIZANA 2002 : D.E.A. (Diplôme d’Etudes Approfondies) sokajy LITERATIORA nomen’ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy Hairaha Mahaolona (FLSH, « mention Très Bien »). Oniversiten’Antananarivo. 2000 : Maîtrise es-Lettres, an’ny Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy (Département de Langues et Lettres Malagasy, DLLM « mention Très Bien »), Oniversiten’Antananarivo 1999 : Licence es-Lettres, an’ny Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy (Département de Langues et Lettres Malagasy) Oniversiten’Antananarivo. 2008 : Mari-pahaizana nomen’ny Parlemanta Kanadiana noho ny fanarahana fiofanana natao tany OTTAWA BOKY NOVOKARINA Boky manokana 2010, SARINOFY RANDRANTELO, Amboaran-tsombintantara, Haiteny, Tononkalo, 123 Takila, hjn ANDRIANASOLO, Antananarivo. 2013, TANTARATANTARA, Amboaran-tantara fisehatra (an’onjampeo sy an-dampy), 220 takila, hjn ANDRIANASOLO. Antananarivo. 2014, BE KINTANA, Tantara foronina, 224 takila, hjn ANDRIANASOLO, Antananarivo. Boky an’ny Fikambanana 2012, HAVATSA NOTSONGAINA, Boky ahitana karazana asasoratra, niarahana tamin’ny HAVATSA UPEM, fankalazana ny faha 60 taona, 300 takila, nanonta Prima, Antananarivo 2009, TATAMO MANOKANA, Boky ahitana karazana asasoratra, niarahana tamin’ny HAVATSA UPEM, fankalazana ny faha 55 taona, 300 takila, nanonta Prima, Antananarivo. 2009, niara-nanoratra sy nandrindra ny AMBARION-KABARY,boky fampahafantarana ireo Mpikabary sy ny Kabary, niarahana tamin’ny FI.MPI.MA. (Fikambanan’ny Mpikabary eto Madagasikara), 162, nanonta imprimerie 2000, Antananarivo. 2006, niara-nanoratra sy nandrindra ny SORIDALAN-KOMBAN-KAHATSANGY, boky fampianarana Kabary niarahana tamin’ny FI.MPI.MA. (Fikambanan’ny Mpikabary eto Madagasikara), 190 takila, nanonta imprimerie 2000, Antananarivo. 2002, TOMBOKAVATSA, amboaran-tsombintantara niarahana tamin’ny HAVATSA UPEM, 70 takila, nanonta imprimerie loterana, Antananarivo. LOKA Oktobra 1996, laharana voalohany tamin’ny fifaninanana manoratra Tantara an-dampy, nokarakarain’ny Tanànan’Antananarivo sy ny Fikambanan’ny Mpanao Teatra Malagasy. Lohateny : « MBOLA AO ANATY ZAVONA », Desambra 1999, laharana voalohany tamin’ny fifaninanana manoratra Tantara an-dampy nokarakarain’ny Fikambanan’ny Mpanao Teatra Malagasy FMTM, tao anatin’ny faha 100 taonan’ny teatra malagasy. Lohateny : « AHY NY SAFIDY », Aogositra 2006 : loka faharoa, fampirisihana tamin’ny fifaninanana manoratra amboaran-tsombintantara « NIRHY LANTO 2006, Rindram-bolana sy Koloteny ». Lohateny “SARINOFY », 2000, loka voalohany, fifaninanana mamorona hira faneva, fiangonana FJKM Ankadivoribe Famonjena (tonony sy feony) SANTIONANY AMIN’IREO VELAKEVITRA NATAO Jona 2000, « ny aretin’ny fiaraha-monina tarafina amin’ireo tantara fihaino nosoratan’i Andry Andraina », velakevitra notontosain’i HAJAINA teny amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy Desambra 2001, « ANDRIANTSIFERANA Henri, Olon’ny Teny sy ny Haisoratra Malagasy », velakevitra notontosain’i HAJAINA teny amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy Jolay 2004 : « Ny fihetseham-po maha Kanto ny tononkalon’i Daud RATSARAZAKA », velakevitra notontosain’i HAJAINA teny amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy Novambra 2008 : « Ny famokaran-kanto sy ny teknôlôjian’ny torohay sy ny fifandraisana », velakevitra notontosain’i Hajaina tao amin’ny CMDELAC Analakely. Ao anatin’ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy Hairaha maha olona. Onirevsiten’Antananarivo Avrily 2013 : « Ny Fahafahana araka ny hita ao amin’ireo tononkalom-pitolomana nosoratan’i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA ». Velakevitra notontosain’i HAJAINA teny amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy VOKA-PIKAROHANA MOMBA AN’I HAJAINA Oktôbra 2007, mémoire de CAPEN notontosain’i RAKOTOVOAVY Nivoalisoa Andoniaina, milohateny hoe : « HAJAINA : poetin’ny fitiavan-tanindrazana ». Ecole Normale Supérieure ENS, Université d’Antananarivo Septambra 2007, mémoire de D.E.A. notontosain’i ANDRIANOAVISON Lazasoa Irina Naharinoro Saraha, milohateny hoe : « HAJAINA SY NY ASASORANY », Faculté des Lettres et Sciences Humaines, Université d’Antananarivo. FANITARANA NY HASIN’NY LITERATIORA MALAGASY TANY AM-PITANDRANOMASINA Avrily-may 2005: Fandraisana anjara tamin’ny RANTY sy VAROTRA boky momba ny teny sy ny literatiora malagasy nandritra ny “Foire de Saint Sulpice” tao PARIS 6ème. niresahana momba izany an’ireo mpitsidika aman-jatony maro – Nanatrika ny fananganana ny HAVATSA UPEM Sampana FRANTSA ary Fitokanana izany ny 30 avrily 2005. Desambra 2007- Jona 2008. Fianarana notontosaina tany Montréal Canada. Fiarahana tamin’ny Ecole Malgache de Montréal(EMM) ka nahafahana nampianatra teny sy haisoratra malagasy ho an’ireo Malagasy sy Kanadiana. Fampianarana Kabary natao tao Montréal sy Ottawa ka nahafahana nanangana ny Sampana FI.MPI.MA. Canada. Marsa- Avrily 2010: Fanatrehana ny fankalazana ny faha 5 taonan’ny Sampana HAVATSA UPEM Frantsa; Fandraisana anjara tamin’ny Ranty sy Varotra boky ary Fiantsana an-tsehatra TONONKALO nandritra ny RNS (Rencontre Nationale Sportive et Culturelle) tany Montpellier – Fampianarana Kabary tao Paris ka nahafahana nanangana ny Sampana FI.MPI.MA. Frantsa Avrily-may-jona-jolay 2011: Fanohizana ny fampianarana Kabary tao Frantsa – Fanitarana ny fampianarana Kabary tao Suisse sy ny manodidina ka nahafahana nanangana ny Sampana Mpikabary tao Soisy sy ny manodidina – Fiverenana tany Kanada (Montréal – Ottawa – Québec) ka nanaovana fampianarana – Fanohizana ny dia tany ETAZONIA (Washington) ka nanatrehana ny RSM ( Rencontre Sportive Malagasy) 2012 -2013: fiverenana tany Suisse sy ny manodidina (Lausanne – Genève – Annemasse) nanatontosana fampianarana nofaranana tamin’ny seho an-tsehatra nosoratan’I HAJAINA – Fandalovana nanaovana velakevitra tany Grenoble nandritra ny fihaonamben’ireo Malagasy Advantista Frantsa Atsimo MAFA 2012. SANTIONANY AMIN’IREO ASASORATRA EFA NOLALAOVINA AN-TSEHATRA TANTARA AN-DAMPY: Marsa sy ôktobra 2000 “Ahy ny safidy”: tantara nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana manoratra tantara an-dampy, nolalaovin’ny tropy Georgette, tranompokonolona Isotry Oktôbra 1997: “Mbola ao anaty zavona” tantara nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana manoratra tantara atsangana, nolalaovin’ny STK Ankadivoribe, Tranompokonolona Isotry sy ny tropy “Antananarivo teatra” Desambra 2001: “NENIBE CHERIE”, nolalaovin’ny STK Ankadivoribe, FJKM Ankadivoribe Desambra 2006: “ ZAVA-MAHERY” nolalaovin’ny STK Ankadivoribe, FJKM Ankadivoribe Desambra 2007: “HENDRY ADALAIN’NY ADALA”, nolalaovin’ny STK Ankadivoribe, FJKM Ankadivoribe Desambra 2009: “NY NOELINAO RY MADAGASIKARAKO” nolalaovin’ny STK Ankadivoribe, FJKM Ankadivoribe MARSA 2010: “I TSARA MPIKABARY”, nolalaovin’ny STK Ankadivoribe, FJKM Ankadivoribe Avrily 2012, “IZA MOA IANAO RY MALAGASY”, Haiteny nolalaovina an-tsehatra, niangalian’ny Mpikabary ao Suisse, Amphi Collonge sous salève Annemasse May 2013: “TANY AMAN-TENY”, Haiteny nolalaovina an-tsehatra, niangalian’ny Mpikabary ao Suisse tao Annemasse. sns TANTARA AN’ONJAMPEO RADIO DON BOSCO (RDB): “IKALAVAZAHA” (1998-2000-2002-2005-2006-2010-2011) – “RAHA SANATRIA KA TSY TONGA IZY” (1998-2007-2008-2009), sns RADIO FAHAZAVANA: “HANAMBADY HONO I DADABE” (1999) – “RANOMARIA” (2000) – “MITOHY NY TOLONA” (2001) – “NOELY FIOVANA” (2001) – “REHEFA ADALA AHO” (2003) – “RAIVO, ILAY OLON-TIAN’I SATAN”(2005) – sns RADIO NASIÒNALY MALAGASY: Tantara mitohy “SARIVOLANA” nisy fizaràna 210 mahery (1997-1998-1999) – “RAIVO, ILAY OLON-TIAN’I SATAN (2011) – “NOELY FIOVANA” (2009 – 2010) – sns FANOLORANA FANDAHARANA TAMIN’NY HAINO AMAN-JERY SAMIHAFA HO AN’NY HAVATSA- UPEM Fanolorana ny fandaharana “MBARAKALY” nandeha tamin’ny Televiziôna Malagasy notontosain’i Abel RAKOTOZANANY ka nanomezana zana-pandaharana momba ny asa sahanin’ny HAVATSA UPEM (2003-2004-2005-2006) Fanolorana sy fandraisana anjara tamin’ny fandaharana manokana notontosain’i ABEL RAKOTOZANANY momba ny HAVATSA sy ny LITERATIORA Malagasy nandeha TVM isaky ny “Herinandron’ny Poety” (ôktôbra 2002-2005-2009) Filalaovana Rindran-tononkalo “RARY HO AN’NY TANINDRAZANA” notontosain’i Abel RAKOTOZANANY,nandeha tamin’ny TVM ny jona 2009.
|
Commentaires