FIFANINANANA KABARY RNS LYON 2016 Miaraka amin’ny FI.MPI.MA. Frantsa

Publié par Njaka

Ny zava-baovao amin’ity RNS 2016 ity dia ny fifaninanana kabary karakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FI.MPI.MA.), Faritany FI.MPI.MA. Frantsa .
Io moa no fifaninanana kabary voalohany misy eto Frantsa. Koa manainga antsika handray anjara amin’ny fifaninanana.
Hitanareo manaraka etoana ny andinidiny, aza misalasala, manao fifaninanana sy handray anjara amin’ny fifaninanana kabary.

FITSIPIKA FIFANINANANA KABARY RNS LYON 2016

I – NY FEPETRA

Andininy 1: Natao ho an’ny olon-drehetra ny fifaninanana, ny olona tsirairay mihitsy no manolotra ny tenany amin’ny alalan’ny fisoratana anarana
And 2: Ny fomba fisoratana anarana dia amin’ny alalan’ny mailaka amin’ity adiresy ity : fimpima.frantsa@gmail.com
And 3: Anarana – taona – telefaonina –  adiresy mailaka no fara-fahakeliny tokony ho voaray
And 4: Lohahevitry ny fifaninanana : “Ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy aty am-pitan-dranomasina
And. 5: Hatao ao amin’ny RNS ny  asabotsy 26 martsa sy ny alahady 27 martsa  ny fifaninanana. Ho lazaina aoriana ny ora
II – NY MPITSARA
And. 6: Olona 3 tendren’ny FI.MPI.MA. sy ny CEN ny mpitsara
And. 7: Tsy azo iadian-kevitra na iverenana ny fanapahan-kevitry ny Mpitsara.
III- NY MPIFANINANA
And 8:
Sokajy voalohany: Taninketsa 10 ka hatramin’ny 16 taona:
Dingana voalohany : Fampisehoana hakingan-tsaina (fanontaniana sy valiny na fanohizana ohabolana na ankamantatra…)
Dingana faharoa : Antsan-kabary : 3 ka hatramin’ny 5 minitra.
Sokajy faharoa: Tanora sy  Olon-dehibe: 16 taona miakatra no ekena hifaninana:
2 ka hatramin’ny 7 no isan’ny mpandray anjara miaraka ka 1 mikabary, mpandray anjara fototra fa ny ambiny mandravaka ny sehatra (mpitendry zava-maneno, mpandihy, mpihira, mpanao fihetsika,…), 10 ka hatramin’ny 20mn no faharetany.
And. 9: Anjaran’ny Mpifaninana ny manao izay mahamendrika azy eo anatrehan’ireo Mpitsara ka handresena lahatra azy ireo.
IV – LOKA
And. 10: Hisy ny mari-pankasitrahana hatolotra ho an’ny mpandray anjara rehetra izay hozaraina  ny alatsinainy 28 martsa 2016 mandritra ny lanonam-pamaranana ny  RNS
And. 11: Tsy maintsy mpifaninana ihany no misitraka ny loka fa tsy azo soloina olon-kafa.
laharana iantsoana raha mila fanazavana fanampiny:  06 09 04 40 67  / 06 65 10 55 43

Flyers_RNS_2016_fifaninana_kabary

Mots clés

Commentaires